Skip to main content

Past Projects

Ny teny hoe TANTANA dia mampahatsiahy ny fitanantanana tsara, fa koa raha alavaina amin’ny teny anglisy dia midika hoe “Transparency & Accountability Through Audit of National Accounts”, izany hoe Fangaraharana sy Fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fitsirihana ny kaonty nasionaly. Ny tanjona amin’ny TANTANA dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Fitsarana momba ny Kaonty ary koa ny hanohanana azy hametraka tsara ny drafitra stratejikany ary hahatratra ireto vokatra manaraka ireto : Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamporisika ny fahitsiana, ny fandraisana andraikitra ary ny fangaraharan’ny sampan-draharaham-panjakana, manaraka ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana. Ny asan’ny Fitsarana momba by Kaonty dia azo atokisana, hita maso ary misokatra ho an’ny sarabambem-bahoaka. Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamporisika ny fomba fiasa mangarahara sy mahomby mba hahatonga azy ho andrim-panjakana filamatra. Noho izany io tetikasa io dia mandray anjara amin’ny Tanjona Fampivoarana Maharitra SDG16 (Fandriam-pahalemana, Fahamarinana ary Andrim-panjakana Matanjaka), izay mikendry ny hahatonga ny andrim-panjakana handaitra, handray andraikitra ary tsy manavaka. Manampy koa izy io hahatratrarana ny SDG5 (Fitovian’ny lahy sy ny vavy ary Fampaherezana ny vehivavy) amin’ny alalan’ny fomba fiasa mampitovy lenta ny lahy sy ny vavy. Farany, io tetikasa io dia mikendry koa ny fampiharana ny fototra, rafitra ary fehin’ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony INTOSAI eo anivon’ny Fitsarana momba ny Kaonty. TANTANA dia antenaina fa hitondra tombontsoa ho an’ny olom-pirenena Malagasy satria ny fitsirihana tsara kokoa dia hampahatanjaka kokoa ny fitantanam-bolam-bahoaka sy ny raharaham-panjakana.

Madagasikara – Tetikasa TANTANA

Ny Fitsarana momba ny Kaonty eo anivon’ny Repoblikan’i Madagasikara dia mametraka tetikasa hanamafisana ny fahaiza-manaony mba hanatsarana ny fampiasana ny volam-bahoaka. Izany tetikasa izany, dia nomena ny anarana hoe TANTANA, vatsian’ny vondrona Amerikana ho an’ny fivoarana manerantany (USAID) ary tohanan’ny IDI (Ezaka fampivoarana ny INTOSAI) miaraka amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty any Frantsa, sy Maraoka ary Norvezy. 

Ny teny hoe TANTANA dia mampahatsiahy ny fitanantanana tsara, fa koa raha alavaina amin’ny teny anglisy dia midika hoe “Transparency & Accountability Through Audit of National Accounts”, izany hoe Fangaraharana sy Fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fitsirihana ny kaonty nasionaly.

Ny tanjona amin’ny TANTANA dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Fitsarana momba ny Kaonty ary koa ny hanohanana azy hametraka tsara ny drafitra stratejikany ary hahatratra ireto vokatra manaraka ireto :

  1. Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamporisika ny fahitsiana, ny fandraisana andraikitra ary ny fangaraharan’ny sampan-draharaham-panjakana, manaraka ny laharam-pahamehan’ny Fanjakana.
  2. Ny asan’ny Fitsarana momba by Kaonty dia azo atokisana, hita maso ary misokatra ho an’ny sarabambem-bahoaka.
  3. Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia mamporisika ny fomba fiasa mangarahara sy mahomby mba hahatonga azy ho andrim-panjakana filamatra.

Noho izany io tetikasa io dia mandray anjara amin’ny Tanjona Fampivoarana Maharitra SDG16 (Fandriam-pahalemana, Fahamarinana ary Andrim-panjakana Matanjaka), izay mikendry ny hahatonga ny andrim-panjakana handaitra, handray andraikitra ary tsy manavaka. Manampy koa izy io hahatratrarana ny SDG5 (Fitovian’ny lahy sy ny vavy ary Fampaherezana ny vehivavy) amin’ny alalan’ny fomba fiasa mampitovy lenta ny lahy sy ny vavy. Farany, io tetikasa io dia mikendry koa ny fampiharana ny fototra, rafitra ary fehin’ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony INTOSAI eo anivon’ny Fitsarana momba ny Kaonty.

TANTANA dia antenaina fa hitondra tombontsoa ho an’ny olom-pirenena Malagasy satria ny fitsirihana tsara kokoa dia hampahatanjaka kokoa ny fitantanam-bolam-bahoaka sy ny raharaham-panjakana.

Antontanisa momba an’ny TANTANA

Taona no faharetan’ny tetikasa (2020-2025)

tapitrisa USD no famatsiam-bola nomen’ny USAID

ny vokatra kendrena:

  1. Manan-danja ho an’ny firenena ny fitsirihana atao ary manaraka sy taterina araka ny ISSAI (tafiditra anatin’izany ny fitsirihana momba ny COVID-19, fitovian’ny lahy sy ny vavy, fitrandrahana, angovo, fitantanam-bolam-panjakana, fanapariaham-pahefana, tontolo iainana, sns)
  2. Mihatsara sy miha-mandaitra ny fitsarana ny kaonty, iaraha-miasa akaiky amin’ny Fitsarana ara-bola.
  3. Mivoatra ny rafitra ara-dalàna, ary atanjahina kokoa ny fahaleovan-tenan’ny andrim-panjakana sy ny fizakan-tenany ara-bola.
  4. Mihatsara ny fifandraisana ivelany, anisan’izany ny serasera miaraka amin’ny Antenimieram-pirenena, ny Fanjakana, ny Fikambanan’ny fiaraha-monim-pirenena ary ny mpanao gazety.
  5. Matanjaka kokoa ny fitantanana stratejika sy ny rafi-pitantanana anatiny fototra.
  6. Ny fitaovana nomerika dia ampiasaina hanatsarana ny kalitaon’ny fitsirihana ary hampandaitra kokoa ny rafitra sy fandaminana.
  7. Ampy ny isan’ny mpiasa (lahy sy vavy) mahay ary maharisika, ary misandratra ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny fahasamihafana.

ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony (SAI) iaraha-miasa

Ireo SAI telo ireo dia manohana ny tetikasa amin’ny alalan’ny mpiasa ambony, manam-pahaizana sy fahalalana:
  • Fitsarana momba ny Kaonty ao Frantsa
  • Fitsarana momba ny Kaonty ao Maraoka
  • Biraon’ny mpanao fitsirihana Jeneralin’ny Norvezy
Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina, Filoha voalohan’ny Fitsarana momba ny Kaontin’ny Repoblikan’i Madagasikara, ary Atoa HERISON Olivier Ernest Andriantsoa, Mpampanoa Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakan’i Madagasikara.

“Mendrika Fitsarana momba ny Kaonty mahaleo tena, hita maso ary azo atokisana ny vahoaka Malagasy. Ankehitriny dia mampatanjaka ny andrim-panjakanantsika isika, mba hatoky tena tanteraka ny firenena momba ny fitantanana ny volam-bahoaka.”

Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina. Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaontin’i Madagasikara.

“Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia tsy maintsy miasa faingana, amin’ny fomba mirija, mandray andraikitra, mandaitra ary mahitsy ho amin’ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fahantrana. Izany dia ho fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny fiainana andavanandron’ny olom-pirenena.”

Atoa Olivier Ernest Andriantsoa Herison. Mpampanoa Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakan’i Madagasikara.

Ny tetikasa dia ampahany amin’ny fandaharan’asa lehibe sy maharitra kokoa atao hoe “Partenariat d’Appui Accéléré par des Pairs – Accelerated Peer-Support Partnership (PAP-APP)” izany hoe fiaraha-miasa amin’ny tantsoroka faingana avy amin’ireo mitovy asa, izay mikendry ny hampivoarana ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony misedra fahasarotana.

Fifanarahana sy tatitry ny tetikasa

Madagascar – Agreement signed

Madagascar – Agreement signed

72068721IO00001 Strengthening the Court of Accounts of Madagascar

72068721IO00001 Strengthening the Court of Accounts of Madagascar

ISC Madagascar IDI Document de project 2020-24.pdf

ISC Madagascar IDI Document de project 2020-24.pdf

TANTANA Progress Report September 2021

TANTANA Progress Report September 2021

TANTANA Annual Work Program 2022

TANTANA Annual Work Program 2022

Tahirin-kevitra tohanan’ny tetikasa

SAI Madagascar Strategic Plan 2020-2024 (English)

SAI Madagascar Strategic Plan 2020-2024 (English)

SAI Madagascar Strategic Plan 2020-2024 (français)

SAI Madagascar Strategic Plan 2020-2024 (français)

Raha te-hahalala bebe kokoa, dia manorata amin’ireto manaraka ireto:

Fampahalalam-baovao momba an’i Madagasikara (amin’ny teny Anglisy)

New Perspectives on Audit Follow-up in Madagascar
New Perspectives on Audit Follow-up in Madagascar
Read more
Court of Accounts of Madagascar: planning the work for 2023
Court of Accounts of Madagascar: planning the work for 2023
Read more
Four Covid-19 related audits completed and annual report presented to the media and citizens: Main highlights of the TANTANA 2021 Annual Performance Report
Four Covid-19 related audits completed and annual report presented to the media and citizens: Main highlights of the TANTANA 2021 Annual Performance Report
Read more