About IDI
Our Cross-Cutting Priorities
Our Results
Meet the IDI Board
IDI's Board is composed of ten members from different supreme audit institutions. Get to know them better in our "Meet the Board" series.
Ny Fitsarana momba ny Kaonty eo anivon’ny Repoblikan’i Madagasikara dia mametraka tetikasa hanamafisana ny fahaiza-manaony mba hanatsarana ny fampiasana ny volam-bahoaka. Izany tetikasa izany, dia nomena ny anarana hoe TANTANA, vatsian’ny vondrona Amerikana ho an’ny fivoarana manerantany (USAID) ary tohanan’ny IDI (Ezaka fampivoarana ny INTOSAI) miaraka amin’ny Fitsarana momba ny Kaonty any Frantsa, sy Maraoka ary Norvezy.
Ny teny hoe TANTANA dia mampahatsiahy ny fitanantanana tsara, fa koa raha alavaina amin’ny teny anglisy dia midika hoe “Transparency & Accountability Through Audit of National Accounts”, izany hoe Fangaraharana sy Fandraisana andraikitra amin’ny alalan’ny fitsirihana ny kaonty nasionaly.
Ny tanjona amin’ny TANTANA dia ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny Fitsarana momba ny Kaonty ary koa ny hanohanana azy hametraka tsara ny drafitra stratejikany ary hahatratra ireto vokatra manaraka ireto :
Noho izany io tetikasa io dia mandray anjara amin’ny Tanjona Fampivoarana Maharitra SDG16 (Fandriam-pahalemana, Fahamarinana ary Andrim-panjakana Matanjaka), izay mikendry ny hahatonga ny andrim-panjakana handaitra, handray andraikitra ary tsy manavaka. Manampy koa izy io hahatratrarana ny SDG5 (Fitovian’ny lahy sy ny vavy ary Fampaherezana ny vehivavy) amin’ny alalan’ny fomba fiasa mampitovy lenta ny lahy sy ny vavy. Farany, io tetikasa io dia mikendry koa ny fampiharana ny fototra, rafitra ary fehin’ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony INTOSAI eo anivon’ny Fitsarana momba ny Kaonty.
TANTANA dia antenaina fa hitondra tombontsoa ho an’ny olom-pirenena Malagasy satria ny fitsirihana tsara kokoa dia hampahatanjaka kokoa ny fitantanam-bolam-bahoaka sy ny raharaham-panjakana.
Mpanao fitsirihana avy any amin’ny Fitsarana momba ny Kaontin’I Madagasikara, manadihady momba ny fandairan’ny fandaharan’asa sosialy nentin’ny fanjakana Malagasy hiadiana amin’ny valanaretina COVID-19. (Jona 2021)
“Mendrika Fitsarana momba ny Kaonty mahaleo tena, hita maso ary azo atokisana ny vahoaka Malagasy. Ankehitriny dia mampatanjaka ny andrim-panjakanantsika isika, mba hatoky tena tanteraka ny firenena momba ny fitantanana ny volam-bahoaka.”
Atoa Jean de Dieu Rakotondramihamina. Filohan’ny Fitsarana momba ny Kaontin’i Madagasikara.
“Ny Fitsarana momba ny Kaonty dia tsy maintsy miasa faingana, amin’ny fomba mirija, mandray andraikitra, mandaitra ary mahitsy ho amin’ny ady atao amin’ny kolikoly sy ny fahantrana. Izany dia ho fandraisana anjara amin’ny fampivoarana ny fiainana andavanandron’ny olom-pirenena.”
Atoa Olivier Ernest Andriantsoa Herison. Mpampanoa Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakan’i Madagasikara.
Ny tetikasa dia ampahany amin’ny fandaharan’asa lehibe sy maharitra kokoa atao hoe “Partenariat d'Appui Accéléré par des Pairs - Accelerated Peer-Support Partnership (PAP-APP)” izany hoe fiaraha-miasa amin’ny tantsoroka faingana avy amin’ireo mitovy asa, izay mikendry ny hampivoarana ny andrim-panjakana fanamarinam-bola faratampony misedra fahasarotana.
Eto no ahitana ny tahirin-kevitra sy fampahalalana momba ny tetikasa fanohanan’ny mitovy asa ho an’i Madagasikara tamin’ny 2018-2020 (amin’ny teny Anglisy).